<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>M.M. Wells</author>
<lyrics>[V1]
 Ry Jesosy be fitia !
 Manatreha, manampia,
 Ny mpanomponao izao
 Izay mivavaka aminao,
 Fifaliana madio
 No omena anay anio.

[V2]
 Indreo ny havanay jereo,
 Mba ho soa anie ireo !
 Tanan-droa mifandray,
 Nofo roa, tonga iray
 Mifaniry soa tokoa,
 Mifanampy, mifanoa.

[V3]
 Ilay tso-drano hatrizay
 No omeo ireo havanay ;
 Mba ho marofara anie,
 Hanam-panambinana,
 Feno fiadanana
 Noho ny fitahianao

[V4]
 Raha ory mba vangio,
 Mitaraina mba valio ;
 Mitoera aminy
 Ao an-tokantranony
 Hamasino, hafanao
 Ny fitiavany Anao.</lyrics>
<title>Ry Jesosy be fitia FFPM707</title>
<hymn_number>707</hymn_number>
</song>